Manao ny fampandehanan-draharaha fotsiny no ataon’ny mpitondra fanjakana eto amintsika amin’izao fotoana satria tsy misy ny asa goavana azo tanterahana, noho ny tsy fisian’ny vola. Ambinkambin’asa nandrimbinana tamin’ny isa tahiry teo am-pelatanana no hanaovana asa madinika dia tokanana etsy sy eroa avy eo.
Fa raha asa goavana tahaka ny fanamboaran-dalana sy fanamboarana toho-drano ho famokarana herinaratra aloha dia mbola nofinofy. Na ny fifampiraharahana amin’ireo kaompanian-tsolika eto amintsika aza efa manahirana ny fanjakana amin’izao fotoana, ka mampitaintaina isan’andro ny hoe hisondrotra indray ve ny vidin-dasantsy ? Mazava ho azy fa tsy maintsy miezaka mandamin-dresaka ireo mpitondra fanjakana vitsy mba sahy miteny sy mampita vaovao, ny hafa moa dia misitrika any anaty birao any, tsy andrenesam-peo, tsy mba manao tatitra satria tsy misy asa atao. Mahay miresaka ery ny fandrenesana ny filoha Rajaonarimampianina tany Frantsa, azo antoka fa mbola hipoapoaka ny kabariny any New York. Fa mba ahoana kosa ny eto an-tanindrazana ! Rehefa tsy misy vahaolana ve tsy aleo mitsotra dia mba mahay miara-miasa amin’ny hafa ho fanarenana ny firenena e ? Izao vao tena resy lahatra ny rehetra hoe filoham-pirenena « par accident » marina ingahy Hery Rajaonarimampianina ary mbola olona tsy natao hitantana firenena mihitsy ny ankamaroan’ireo miara-miasa aminy. Jamba mifampitantana izany ka izay no mahatonga ny firenena hikorontana tahaka izao e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.