Actualités

Izay mahasoa


  • Alarobia 17 Desambra 2014

Manomboka sarotsarotra ho an’ny olona sasany ny fizotry ny raharaha politika amin’izao fotoana.

Misy ny mpanara-baovao milaza fa fanina. Tsy fantatra intsony izay mandainga sy azo inoana. Tsaroana foana anefa ny tenin’ny mpanao politika kalaza iray manao hoe : « amin’ny politika dia tsy misy ny hoe mihavana mandrakizay na mifandrafy mandrakizay izany ». Ny dikan’io dia hoe : ny mpifahavalo omaly mety hihavana anio ary ny mpiara-dia androany mety hiady indray rahampitso. Ny hevitra no ambara hoe miady eto fa tsy sanatria ny olona. Ho antsika eto Madagasikara dia mbola manohy ny fianarana ny politika sy ny demokrasia isika ka tanjona ny  fanaovana politika mampandroso sy manatsara ny fiainan’ny isan-tokantrano fa tsy sanatria politika maha be hatoka sy mampanankarena ny mpilalao politika fotsiny. Tsy mora izany asa izany ary tena mitaky fahavononana sy faharetana. Mazava ny tanjona dia ny hisian’ny fitoniana mba hahafahana miasa tsara araka ny tokony ho izy. Raha mbola manana fahendrena ihany ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao politika Malagasy dia mahay mampandefitra ny hambompony tsirairay avy ka mahay miresaka sy mifandamina, mba hivoahana amin’izao krizy izao. Ireo olona mpanaradia ny ankolafy politika tsirairay avy ihany koa anefa dia mila mahatakatra tsara io endrika isehoan’ny politika io, fa tsy sanatria hanao be marenina amin’ny fifandaminana mety hapetraka. Firenena mbola tena marefo ara-politika i Madagasikara ka noho izany no maha sarotra ny zava-mitranga eto, izay misy fotoana mandiso fanantenana ny olon-tsotra. Izay mahasoa anefa no atao fa tsy hoe ny mahafinaritra na mahafalifaly ny fo foana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT