Fa iza marina moa no malaina amin’ny resaka fampihavanam-pirenena e ? Toa resahana be indray mantsy izy io tato ho ato izay, ny FFM anefa efa ho 3 taona nijoroana tsy hita izay zava-bitany fa nitetitety faritra sy nihaona tamina antokon’olona tsy fantatra hoe iza sy nanao inona.
Averina eto indray fa i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina no fototra hita maso niaingan’ny krizy. Tsy maintsy miresaka, mifanazava ary mifamela sy mihavana aloha ireo olona roa ireo izay vao misy antoka lehibe ny hahatomombana ny fampihavanana. Efa mibaribary fa nanohana an-dRajoelina ny Frantsay sy ny ampahany tamin’ny tafika ary mpandraharaha maromaro Malagasy sy Karana ary Frantsay, dia izay no nanafaingana ny firodanan’ny fitodrana Ravalomanana. Tsy maintsy nisy aloha ny mpamadika nanamora ny asa rehetra. Efa lasa izany, tsy tokony hiadian-kevitra lava be intsony fa ny ho avy no mila banjinina. Raha tena ny tombontsoan’ny firenena marina no zava-dehibe dia mahay manetry tena mifampiresaka sy mifandamina ireo olona fototry ny krizy. Rehefa mahatsiaro Rabe fa manana alahelo na kakay amin-dRakoto dia manatona an-dRakoto izy dia mifanazava tsara aminy, fa tsy atao amin’ny antso an-tariby na alefa sms na alefa e mail ny resaka. Ny fifanatrehana mivantana eo amin’ireo mpifanandrina na mpifanolana no tsara indrindra raha hamaha olana. Iza anefa no manakana ny fahafahan’ny hafa hiditra eto Madagasikara mba hanatanterahana ny fampihavanana ? Iza no maika amin’ny famoahana NOTAM ? Iza no manafina tsotra izao ny pasipaoron’ny sasany noho ny antony efa fantatra ihany ? Iza no nilaza fa handray an-tanana ny fampihavanana kanefa manilika ny hafa ihany ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.