Hofaranana amin’ity taona 2015 ity ny fankalazana ny faha-35 taona niorenan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara. Efa natomboka tamin’ny taon-dasa 2014 ny fanamarihana ary hitohy indray amin’ny volana jona izao eto
Antananarivo. Ny tanànan’Antsiranana kosa no handray ny fotoam-pamaranana amin’ny volana novambra 2015. Ho tsangambatom-pisian’ny FFKM hatramin’ny taona 1980 nijoroana teto amin’ny firenena kosa ny fananganana ny Ivontoerana misahana ny fiombonam-pinoana. Foibe natokana hanovozam-pahalalana ho an’ireo kristianina maniry ny handalina bebe kokoa ny momba ny ekiomenisma izy io. Tsy natao hifamono ireo fiangonana efatra mpikambana ao amin’ny FFKM fa mijoro hifamelona sy hifanaiky ka hifampizara traikefa mba ho modely fakan-tahaka eo anivon’ny fiarahamonina, araka ny fanazavana nomen’ny filoha vaovao, ny mpitandrina Rasendrahasina Lala.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.