Ny resaka nahandro, fanjairana, fikolokoloana zaridaina ary ny informatika no hita ao amin’ny ivontoeram-panofanana vaovao natokana ho an’ny vehivavy eny Tsimbazaza.
Miara-miasa amin’izany ny minisiteran’ny fanofanana arak’asa, ny fifandraisan-davitra sy ny teknôlôjia vaovao ary ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika. Manana anjara toerana goavana amin’ny maha reny sy mpanabe azy eo anivon’ny fianakaviana ny vehivavy ka ilaina hatrany ny fanabeazam-boho ny fahalalany sy ny traikefa ananany. Tonga nitokana izao fotodrafitrasa izao ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary nanantitrantitra fa natokana manokana ho an’ny vehivavy ny 25 janoary ary manana ny toerany amin’ny fiainam-pirenena ny vehivavy. Milina fanjairana 20, solosaina 5 ary boky isan-karazany miisa 4 500 no hita ao amin’ity ivontoerana eny Tsimbazaza ity. Efa manana ny azy ihany koa ny any Fianarantsoa, Vangaindrano, Toliara ary Mahajanga.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.