Tonga nitsidika ny ivontoeram-panofanana arak’asa etsy Ambohidratrimo omaly ny tale rejionaly eo anivon’ny Unesco izay rafitra iraisam-pirenena eo anivon’ny firenena mikambana, Ann Therese Ndong Jatta.
Ny taona 1963 no niorenan’ity toerana ity fa ny taona 1968 kosa no nitokanana azy. Ny taona 2000 vao tafavadika ho ivontoerana arakasa ary tao anatin’izay 50 taona izay dia niandry foana ny hahafeno ireo fitaovana ahafahany miatrika izany. Vao tamin’ny taon-dasa kosa no nanombohany niara-niasa tamin’ny Unesco ary voambara ho ezaka tontosa tao anatin’izay moa ny hoe 30 isa tamin’ireo mpiofana 35 no efa nahita asa. Tanjona hiarahan’ny roa tonta ny hampitombo ny lentam-piofanana eo anivon’ity toerana ity mba hitomboan’ny mpiara-miombon’antoka ihany koa, indrindra ny hahaizan’ireo mpiofana manangana orinasa azy manokana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.