Teratany sinoa telo no naiditra am-ponja vonjimaika noho ny tsy fanajana ny zon’olombelona nataon’izy ireo tamin’ny mpiasa malagasy. Voalaza fa tompona orinasa eny Ivato ireto teratany vahiny ireto ary efa malaza amin’ny fanitsakitsahana ny zon’ny mpiasa
. Raha ny zava-nisy dia voalaza fa nohidin’ireto sinoa ireto tanatina trano iray mihiboka ireo mpiasany, ilay trano izay voalaza fa misy irony etona simika irony. Raha ny fanazavana voaray hatrany dia olona sendra nandalo fantatra fa mpiasa tao ihany no nahita ireo namany voahidy, ka avy hatrany dia nampandre ireo manampahefana. Nisy ny fidinana ifotony avy hatrany nataon’izy ireo ary tonga teny an-toerana mihitsy ny minisitry ny asa sy ny lalana sosialy Maharante Jean de Dieu nijery ny zava-misy. Nilaza ity farany fa tokony hanaja sy hanaraka ny lalàna misy eto Madagasikara ireo vahiny mpampiasa malagasy.
Tojo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.