Na teo aza ilay fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra mampiato ny fivarotana na famindrana tanim-panjakana amin’olon-tsotra dia hita fa miroborobo indray izao ny fivarotana tany amin’ny vidiny mora,
izay tena mahasarika olona maro tokoa, mampahatsiaro ilay tetikasa “Trano Gasy” taona vitsy lasa izay, izay nataon’ny sasany fanangonam-bola fotsiny nefa avy eo nanjavona. Ny mahagaga dia mangina tsy andrenesam-peo na koa fanazavana mikasika itony varotra tany mampilendalenda itony ny minisitera misahana ny fananantany. Sa ve raharahan’ny tsy miankina izany ka tsy idiran’ny fanjakana ? Ankoatra izay dia manaitra ny maso ihany koa ny mahita ireo trano be miendrika “cité” aorin'ny Sinoa eny Ivato, akaikin'ny Sogecoa. Trano ho an'ny zandary sy miaramila ve sa nisy nivarotra indray ny tanin'ny zandarimariam-pirenena ? Nisy fotoana efa naato ny fanamboarana an'ireo. Mitohy indray izy izao kanefa dia tanin'ny zandarimaria no iorenan’ireo trano ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.