Actualités

Ivato Aéroport Misitraka ny tetikasa WSUP


  • Zoma 31 Oktobra 2014

Am-periny ny fanadihadiana miaraka amin’ny fisoratana anarana ho an’ireo fokontany te-hahazo fotodrafitrasa vatsian’ny tetikasa Wsup ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ivato Aéroport. Miara-misalahy amin’ny fanatontosana ireo asa fampidiran-drano, fananganana lavapiringa ary toerana fanasan-damba ny Care International, Enda OI, Water Aid, ny

fikambanana Mamelona ary ny orinasa Jirama. Haharitra hatramin’ny volana jona 2015 ity fandaharanasa fahadiovana sy fidiovana ity, araka ny fanazavan’ny Talen’ny Wsup. Nidina teny ifotony nifampiresaka sy nifanakalo hevitra tamin’ny ny ben’ny tanàna Rasoamiaramanana Godeffrin sy ireo mpiara-miasa aminy moa ity tompon’andraikitra ity omaly. 27 amin’izao fotoana izao ireo filàn’ny mponina paompin-drano fantsakana ary 6 ireo toerana fanasan-damba ao anatin’ireo fokontany 5 mandrafitra ny kaominina. Manana olana tany hanorenana fotodrafitrasa kosa ireo fokontany 2 ka iantsoan’ny ben’ny tanàna fiaraha-miasa amin’ny mpiara-monina sy ny manodidina. Handray ny hetsika fanakatonana ny Diorano Wash ny kaominina Ivato Aéroport anio.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT