Misoko miadana mangorona ny tany eto an-drenivohitra ny Karana. Fantatra indray izao fa dia misy fikasana hamefy tany ka mametraka tsatoka mangingina eny Ivandry tanŕna eny.
Trano am-polony maro no indray hanjavona ary fianakaviana an-jatony no voatery handao ny toeram-ponenany ka hotraboina raha varimbariana ao anatin’ity raharaha ity. Raha ny loharanom-baovaonay dia hisy tetikasa fanorenan-trano vaovao hataon’ny Karana amin’ity tany voakasika eny Ivandry tanàna ity, ka ireo Malagasy efa nanorim-ponenana teo hatrizay no hoterena an-kolaka handao ny taniny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.