IVATokantrano telo no nasesin’ny jiolahy notafihina. Lasibatra tamin’izany i Lalatiana Ravololomanana mpanao politika filoha mpanorina ny « Manda ho an'ny Firaisampirenena » sady mpanolo
tsain’ny tanànan’Antananarivo. Very tamin’izany ny antontan-taratasiny sy vola 750.000 Ariary.
ANKASINA
Mitaintaina amin’ny horavana trano ireo mponina eny Ankasina, amin’ny hanamboarana lalana avy eny Andohatapenaka mitohy amin’ny « Boulevard de l’Europe », tafiditra amin’ny tetikasa amin’ny handraisan’i Madagasikara ny fihaonambe faha-16-n’ny Frankôfônia.
ANJOZOROBE
Raikitra ny ampamoaka amin’ilay raharaha voalaza fa nahafatesana olona iray, ka tsy hita popoka ny razana, tamin’ny toeram-pitrandrahana vato tany Beraoka Anjozorobe. Vaky bantsilana omaly fa nisy fizarana vola 72 tapitrisa Ariary mba hampanginana io raharaha io.
MAROJALA SAMBAVA
Nilatsaham-baratra ny tambajotran-tserasera any Marojala, Kaominina Farahalana – Sambava ka lasa mitoka-monina ny mponina ireo noho izany. Ny alatsinainy alina nandritra oram-baratra tany amin'iny faritra SAVA iny no nitrangan’izany.
MANAKARA
Manana olana amin’ny jiro ny ao Manakara. Tsy maharaka ny filana ny herinaratra vokarin’ny Jirama ka dia miaina anaty delestazy ny mponina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.