Nitrangana fanafihana mitam-basy teny Itaosy Cité ny harivan’ny alatsinainy teo, fotoana nampisy delestazy. Toeram-pivarotana iray amoron-dalana no nanaovan’ireo jiolahy amboletra.
Nisy iray tamin’ireo tovolahy mpiasa tao anefa tavela teo ivelan’ny toeram-pivarotana tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana ; io no nidaroka tamin’ny bontan-kazo ny iray tamin’ireo jiolahy, ka naratra. Namaly tifitra tao anaty maizina ireo jiolahy saingy ity naman’izy ireo ity indray no niantefan’ny bala. Nezahin’izy ireo nentina nitsoaka ity farany rehefa nanomboka nisahotaka ny olona teo amin’ny manodidina. Narian’izy ireo tany an-dalana anefa rehefa hitan’izy ireo fa tsy ho avotra intsony. Tonga ihany koa moa ny zandary, ireo jiolahy efa dila, fa io voatifitra io no taraiky sady namoiny ny ainy. Fanin-droany nisy nanafika ity toeram-pivarotana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.