Hiara-kiasa hanampy ireo tanora mpianatra Malagasy vao misondrotra ny oniveriste iray any Kanada ny Institut Supérieur de la technologie etsy Ampasampito.
Ankoatra ny mpianatra malagasy izay alefa hianatra any amin’ity Oniversite iray ity mantsy dia samy handefa mpampianatra ihany koa ny sekoly roa tonta mba hifanakalo traikefa hahafahana manatevina ny fikarohana hataon’ny mpianatra hahazoan’ireto farany manangana orinasa manokana ho an’ny tenany manokana. Tontosa omaly tetsy Ampasampito ny sonia fifanekem-piaraha-miasa mifandraika amin’izany. Nambaran-dRakotomalala Jean Lalaina talen’ny IST Antananarivo nandritra izany fa ny mba hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa mahazo ny tanora Malagasy marobe ankehitriny no tanjona. Ho an’ny IST Ambositra manokana izay efa misy mpianatra manodidina ny 1.000 isa ankehitriny dia mpampianatra miisa telo no alefa any an-toerana hifanakalo traikefa amin’ireo mpampianatra efa za-draharaha any amin’ity oniveriste iray ity ato ho ato ho tombontsoan’ny tanora Malagasy. Mbola hitohy any amin’ny IST Antsiranana izao fiaraha-miasa izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.