Ela ny ela ka tratra ihany rehefa nanaovan’ny mponina teny Isotry sy ny manodidina fitarainana ny fisiana lehilahy roa eny an-toerana voalaza fa mitazona basy mba hampitahorana ny mpandalo tratra hariva eny an-toerana.
Tena nahitana basy P.A kilalao tokoa tao an-tokantranon’izy ireo izay marihina fa mpizaodahy. Nafeniny tao ambany gorodona ilay fitaovana. Tamin’ny famotorana natao azy ireo no nahalalana fa an’ny iray amin’izy ireo ilay basy. Kilalao tokoa ilay izy saingy nosoloiny vy ny lohany amin’izay mangatsiaka be rehefa atohoka eo amin’ny tenda ka toy ny tena basy mihitsy. Nilaza ihany koa izy ireo fa mbola manana akanjo fluorescent toy ny an’ny mpitandro ny filaminana sy casquette misy soratra « GENDARMERIE » miisa roa. Ireo fitafiana ireo no fitondrany rehefa manao ny asa ratsiny izy ireo. Natolotra ny fampanoavana ny Alatsinainy teo izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.