Araka ny vaovao voaray teo anivon’ny jirama dia halina no voasolo tanteraka ilay milina maty ka nahatonga ny fahatapahan’ny jiro teny isotry sy ny manodidina
.Ny fahatsentsenan’ny lalan-drivotra vokatry ny fiparitahin’ireo godorao amidin’ireo mpivarotra manodidina ny tranon-jiro eo amin’ny rond point Isotry no nampiakatra be ny maripana ka nampipoaka ilay milina efa mandeha ny jiro eny an-toerana ankehitriny fa misarika ny sain’ny vahoaka kosa ny jirama ny amin’ny tokony hitandremana ireny fotodrafitrasa ireny. Olana ara-teknika noho ny fahasimbana no nahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra teny Isotry, hoy ny Jirama ka tsy tokony hitarina be ny resaka. Misy ihany ny fomba fiasa tsy milamina satria efa ela no hita teo amin’ny manodidina io tranon-jiro io ireo mpivarotra ireo, ka amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy amin’ny famokarana sy fitsinjarana herinaratra dia tokony ho nampandre ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary nandray ny fepetra mifanaraka amin’io olana io ny Jirama fa tsy hoe efa mipoaka ny tranon-jiro vao mikorapaka sy manamboatra ny sain’ny olona. Miandry loza foana ve vao hahay hitandrina e !
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.