Ny kalitaon’ny fampianarana omen’ny sekoly ny mpianatra no anisan’ny tena mahasarotiny ny ray aman-dreny, indrindra amin’izao fanombohan’ny taom-pianarana vaovao 2016-2017 izao.
Tsy ambanin-javatra izany ho an’ny ISFPS Leader etsy amin’ny 67 ha raha, hoy Rakotomalala Jasinirina, tompon’andraikitra eo anivon’ny sekoly misahana manokana ny sciences sociale. COPIQUA no anaran’io komity io na Comité de pylotage de la qualité izay hivondronan’ny tompon’andraikitra mpanatanteraka eo anivon’ny sekoly, ny mpampianatra ary mpianatra. Ankoatra izay dia efa nahazoan’izy ireo fankatoavana avy amin’ny fanjakana daholo ihany koa ireo lalam-piofanana misy ao aminy toy ny transit sy douane, ny gestion management, ny communication journalisme. Tsy latsa-danja amin’ireo ny lalam-piofanana Paramed izay hamokarany olona manana traikefa afaka handray an-tanana ny fahasalamam-bahoaka fa tsy manao andrakandrana. Miisa telo moa ny mari-pahaizana omen’izy ireo ny mpianatra dia ny Diplômes de techinicien Supérieur, ny licence ary ny Master I sy II.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.