Actualités

ipo Cité Voasazy ilay karana mpanakorontana


  • Zoma 05 Febroary 2016

ray monina eny amin’ny faritra Ambohipo Cité, no voasambotry ny polisin’ny boriborintany faharoa ny marainan’ny alakamisy 28 janoary lasa teo.

Amboh

 

Karana iAraka ny laharanom-baovao dia fantatra fa efa ela nanaovana ny fanakorontanana fiarahamonina teny izy io, ary ny mpifanolo-bodirindrina aminy mihitsy no lasibatra tamin’ny farany. « Ela nitoratorahana ka nahavoa voamason’angatra », araka ny fitenenana. Nidaroka sy nively vehivavy mpifanolo-bodirindrina ny marainan’ny talata 26 janoary tokony ho tamin’ny 8 ora sy 15 minitra teo ho eo, tsy rony, tsy ventiny ity rangaha ity. Tsy nanaiky anefa ilay vehivavy fa nametraka fitoriana avy hatrany teo anivon’ny fokontany sy kaomisaria ary niakatra fampanoavana. Nilatsaka avy hatrany ny didy fisamborana ary teo no nanamora ny asan’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny nanenjehana azy. Niakatra fampanoavana ity silamo mahery fihetsika ity ary ny alarobia 3 febroary lasa teo no notanterahana tao amin ‘ny efitrano fitsarana ambaratonga voalohany ny fitsarana azy, voaheloka hisazy 1 volana an-tranomaizina  sazy mihantona ary lamandy ho onitry ny fahavoazan’ny vehivavy mpifanolo-bodirindrina aminy izy.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT