Hotontosaina eny amin’ny CCI Ivato amin’ny 13 hatramin’ny 16 jona ho avy izao indray ny hetsika International Tourism Fair Madagascar andiany fahavalo.
Miisa 300 ny mpisehatra matihanina amin’ny fizahantany handray anjara ka anisan’izany ny “Agence de Voyage”, ireo mpandraharaha sy mpampiofana amin’ny sehatra fizahantany ary ireo Ofisy Nasionalin’ny Fizahantany avy amin’ireo Nosy manodidina. 15 000 eo ho eo ny mpitsidika andrasana ary tanjona ny hampihaonana ireo matihanina. Hampiavaka ity hetsika ity ny hitaizana mihitsy ireo olon-tsotra, indrindra ny Malagasy, hanao fizahantany mba hipetraka tsara amin’ny toerana io sehatra io. Ankoatra izay, hisy ny fandraisana an-tanana ireo manana tetikasa manokana momba ny fizahantany izay ampihaonina amin’ireo mpandraharaha sy ny mpamatsy vola. Vahiny manokana amin’ity hetsika ity ny firenena Indonezia ary nisy ny fifanaovan-tsonia ho fifanaraham-piaraha-miasa niarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka tetsy amin’ny Hotely Colbert Anosy omaly. Hampirantiana amin’ity ITM 2019 ity ny tolotra ara-pizahantany rehetra misy eto Madagasikara ka hampiseho ny mampiavaka azy mihitsy ny faritra tsirairay.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.