Raha ny tontolon’ny fitsarana sy ny eny anivon’ny mpitandro ny filaminana no voaresaka matetika amin’ny ady amin’ny kolikoly dia ny toeram-pitsaboana indray no nahazoana fanamarihana eto. Ao amin’ny hopitalin’ny «
Centre hospitalier universitaire d’Antananarivo » ao Analakely ilay fantatry ny maro amin’ny anarana mahazatra hoe « institut d’hygiène social » dia ahitana mpitsabo manampahaizana amin’ny karazana aretina maro ( fo, maso, sofina, tenda, mpitsabo ankapobeny) napetraky ny fanjakana mba hitsabo maimaimpoana ny vahoaka malagasy izay tonga ao ka laharana no zaraina ho an’ireo izay tonga hitsabo tena. Voafetra ihany kosa anefa ny isan’ny olona raisina isan’andro satria betsaka ny tonga noho izy tsy andoavam-bola. Rehefa lany ny laharana amin’ny fizahana maimaimpoana isan’andro dia mandoa vola amin’izay ny fizahana sisa. Mety ho azo ekena ho rariny ihany raha toa ka lany tokoa ny laharana zaraina na dia mivandravandra ao amin’ity hopitaly ity aza ny hoe tsy mahazo manome vola mpitsabo fa manao kolikoly izay manao izany. Rehefa miditra ao ny marary ka te haka vola ny ao dia mody ny eo amin’ny fandraisana no mitaky ny vola fa efa lany, hono, ny laharana. Amin’ny 8 ora maraina dia efa tsy maintsy lany ny laharana ho an’ny mpijery maso isan’andro raha toa ka mba malalaka ny any amin’ny sampana hafa. Ny tena marina anefa dia tsy mety manatontosa ilay andraikitra napetraky ny fanjakana aminy ny amin’ny tokony hitsaboana maimaimpoana marary amin’ny isa voafetra ny mpitsabo sasany fa tonga dia manao fizahana andoavam-bola avy hatrany raha vao manomboka ny andro. Soa ihany fa tsy ny mpitsabo rehetra ao no manao io fomba mamohehatra io. Ny mpitsabo fo, ohatra, izay manampahaizana manokana dia mandray tsara ny marary ary tsy mampandoa vola toy ny any amin’ny hafa.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.