Mba hahafahana mandrindra ny sehatra rehetra ary mamoaka antontanisa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena dia tsara ny mampihatra ny lalàna momba ny statistika.
Didy fampiharana telo (3) no hangatahin`ny ny Ivontoerana nasionaly misahana ny antontan'isa (INSTAT) amin`ny fitondram-panjakana amin`ity taona 2019 ity, hoy ny tale jeneraly lefitry ny INSTAT, Ndremitsara Tarzan. Ny didy voalohany dia miompana amin`ny lalàna mifehy ny statistika. Mila mangataka “visa statistique ” ny amin`ny fomba fiasa ampiasiana mba hahafahana mamaritra izany sy mamoaka vokatra tena izy. Ny didy fampiharana faharoa angatahina ihany koa ny fananganana ny “Conseil national de la statistique » izay manana andraikitra lehibe ato amin`ny INSTAT sy ireo mpampiasa antontan`isa rehetra. Raha misy mamoaka statistika diso dia mety hahavoasazy izay mitentina 100 000 Ariary hatramin`ny 800 000 Ariary. Ny didy fahatelo dia mba hahafahana manao ireo asa ankalalahana. Nomarihan’ity tale lefitra ity fa raha matanjaka ny firenena iray dia matanjaka ny statistika ary miara-mivoatra aminy ihany koa ny INSTAT. Ankoatra izay, azo lazaina fa fahombiazana ny taona 2018 na dia nikorontana aza ny tany sy ny firenena, hoy i Ndremitsara Tarzan, satria vita ny fanisana ny mponina RGPH3 eo amin`ny lafiny ara-teknika. Tapitra ihany koa ny fanadihadiana EPC, izay fandrefesana ny kalitaon`ny fanisana ny mponina. Ny taona 2018 ihany koa no nanaovana ny fanadihadiana eo amin`ny resaka fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Ny tatitra amin`ny ampahany no azo atao saingy tsy isa no angatahina amin`io satria maro ireo sehatra toy ny fahantrana, fahasalamana…. Miandry ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny famoahana ny tatitra ofisialy mahakasika ireo fanadihadiana hafa fa hotombanana amin`ny faran`ny taona izany, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.