Actualités

In’efatra tany andafy ny filoha Volabe no lany


  • Zoma 05 Aprily 2019

Telo volana latsaka kely nitondrana ny firenena ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina sy ny ekipany.

 Tsy ampy hitsarana azy ireo amin’ny asa vita na fampandrosoana natao izany, saingy maro ny zavatra azo resahina sy nanamarika ny fitantanana ny firenena tao anatin’izay 75 andro eo ho eo izay. In’efatra nivoaka ny firenena sahady i Andry Rajoelina, ary vola be no lany. Voalohany ny tany Addis-Abeba Ethiopie nanatrehany ny fivorian’ny Vondrona Afrikanina ny 10-11 febroary lasa teo. Nitohy tamin’ny fanatrehana ny fetim-pirenena Maorisianina ny tapaky ny volana martsa, ary nisidina nihazo an’i Kenya niatrika ny fivoriana momba ny toetr’andro na ny “One Planet Summit” avy eo. Nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo indray no nihazo an’i Sénégal niatrika ny fianianan’ny filohany i Macky Sall ny 2 aprily teo sy ny fanamarihana ny faha-59 taona ny fahaleovantenany ny 4 aprily. Voizin’i Andry Rajoelina ny politikan’ny fitsitsiana, saingy ny fihetsika ataony mifanohitra tanteraka amin’izany. Mampiseho fa manam-bola ny fanjakana Rajoelina, ary mahavita azy ny filohantsika ka tsy hita taratra any amin’izay firenena alehany fa i Madagasikara anie, ka ao anatin’ireo firenena 5 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany. Nanofana fiaramanidina raitra na “jet privé” ny dia tatsy Maorisy, Kenya, ary Sénégal. Raha atao kajy tsotsotra, dia manodidina ny 12000 Euros (48 000 000Ar raha kotiana 4000Ar ny Euro iray) isan’ora na mihoatra ny hofan’ny fiaramanidina “jet privé”. Ny dia niala teto Madagasikara nihazo an’i Maorisy izay sidina adiny iray sasany eo dia manome (18 000Euros (72 000 000 Ar). 72 000 Euros (288 000 000Ar) ny miala ao Maorisy mihazo an’i Kenya 6 ora eo. Ny mihazo an’i Sénégal miala eto Antananarivo kosa dia 9ora mahery, dia 108 000Euros (432 000 000Ar).  Manome 198 000 Euros (792 000 000Ar na 3 960 000 000fmg) any ho any izany farafahakeliny ny hofana fiaramanidina raha kotiana amin’ny oran’ny sidina fotsiny. Raha ny dia tany Maorisy sy Sénégal, dia herinandro teo ho eo avy ny faharetan’ny dia, izay mbola fandaniana be ny resaka fiantranoana amin’ny hotely tsy maintsy raitra satria filoham-pirenena no mitarika. Ny tambin-karaman’ny delegasionina maro be hatramin’ny mpanao gazety, izay tsy maintsy aloa amin’ny vola Euros na Dolara. Volam-bahoaka no lany amin’izany, saingy tsy misy tamberin’andraikitra sy tambiny azo tsapain-tanana fa balarora no betsaka avy any. Lanonana no tena naleha tatsy Maorisy sy Sénégal, ankoatra izay ambara fa fifanaraham-piaraha-miasa, izay am-bava sy kisarisary no betsaka. Misy zavatra mampametra-panontaniana amin’ny dia sasany hoe: tsy maintsy ny filoha ve no mandeha ? Ny fihaonana an-tampon’ny SADC tany Maroc, izay tena mifototra betsaka amin’ny toekarena anefa, dia ny minisitry ny raharaham-bahiny no nalefa tany, izay anisan’ny nanakianan’ny fampahalalam-baovao vahiny an-dRajoelina. Fandaniam-bola mihoapampana ny dia nankany ivelany fa ny vokatra azo tsapain-tanana amin’ireny mbola aotra. Ny ataon'ny minisitra sy Tale ambony sasany dia tena ohatran’ny mandeha miantsena etsy Andravoahangy ny fandehanana any am-pita. Tena mitsitsy tokoa sa miliba ny fanjakana ?

 

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT