Actualités

Indostria Malagasy Mbola sangany hatrany ny STAR


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2016

Nanatanteraka ny andiany faharoa tamin’ilay “Top Recruiting Companies” indray ny cabinet FTHM mpanao fanadihadiana mikasika ireo orinasa Malagasy eto amintsika tamin’ity taona ity.

 

 Ireo mpianatra efa nahavita fianarana  manodidina ny 663 isa  no nanatanterahana izany manana ny mari-pahaizana licence sy Master misandrahaka amin’ireo sekoly ambony tsy miankina sy miankina amin’ny fanjakana marobe eto amintsika. Tamin’ny taona 2014 dia ny orinasa Star no nahazo ny laharana voalohany teo amin’ny resaka indostria raha nitana ny laharana faha-enina izy tamin’ny sehatra hafa manodidina izany. Mbola notazoniny hatrany io toerany io tamin’ity taona 2016 ity raha laharana fahatelo kosa indray izy tamin’ny sehatra hafa araka ny voalaza etsy ambony. Notanterahina ny herinandro teo ny fanolorana ny ny loka mifandraika amin’izany teny amin’ny Galaxy Andraharo. Nanatrika ny lanonana ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny eo anivon’ny orinasa Star.

 

Pati

 


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT