Inay anie aho ry sakaiza,
Mba dahalo tonga saina,
Ka tsy alefa n`aiza n`aiza
Fa avela ho afa-maina.
Tsy misedra famotorana
Ary tsy atoka-monina.
Avy hatrany dia votsorana,
(Fa tsy olona nalonina).
Inay anie aho rey vahoaka,
Mba dahalo tonga saina,
Ka tsy anaovana ampamoaka,
Sady tsy mba hofonjaina.
Fa vao mainka koa tambazana
Sy omena miliara,
Satria dahalo hafa karazana,
Ka voajerijery tsara.
SEDERA RAVALISON (16-11-14)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.