Ahitana izany avokoa manerana ireo elakela-trano mandrafitra ny fokontany 36 isa, raha araka ny vaovao azo, antony iray mampahazo vahana ny halatra kisoa any an-toerana ihany koa.
Fahanan’ireo mpanao ratsy fanafody mantsy ny kisoa na tsindroniny formol ka tsy afa-migiaka intsony. Vitany hatramin’ny fanalana ny taovany ao am-bala ka ny rany latsaka sisa no hitan’ny tompony. Tokantrano maro no efa lasibatra. Nanatanteraka hetsika ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana ka mpangala-kisoa telo no voasambotra. Efa any am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana hatao fanadihadiana izy ireo ary hiakatra fitsarana tsy ho ela. Tsiahivina fa antony mampirongatra ny halatra kisoa amin’izao ihany koa ny fiakaran’ny vidin’ny hena eny an-tsena izay efa mahatratra 12.000 Ar ny iray kilao amin’ireo karazany mba tsaratsara sy azo alaina manokana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.