Hisantatra ny taona vaovao 2016 ao anatin’ny fahadiovana ny mponina ao Imerintsiatosika. Natokan’ireo mpiasa rehetra ao amin’ity kaominina ambonivohitra ity ho andro fanadiovana faobe ny tanŕna mantsy ny tapak’andro marainan’ny 31 desambra 2015
. Mahatsapa sy resy lahatra tanteraka moa ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa tsy ankanavaka fa loharanon’ny fahasalamana hoan’ny mponina ny fahadiovan’ny tanàna. Olana iombonana mampitaraina sy mampikaikaika ireo kaominina rehetra eto amin’ny faritanin’Antananarivo rahateo ny fivangongon’ny fako sy loto. Saika nampimenomenona ny vahoakan’Imerintsiatosika mihitsy io tsy fifehezana ny zaoridira io nandritra ny fetin’ny Krisimasy ka nahatonga ity fandraisana andraikitra goavana fanadiovana tambabe teo anivon’ny kaominina ity ho famaranana ny taona 2015. Azo ambara tsy ampisalasalana fa kaominina midadasika sy be mponina indrindra ao anatin’ny faritr’Itasy Imerintsiatosika, izany hoe tanàna manan-karena fako ihany koa. Vahaolana tsara hitandrovana ny fahadiovan’ny fiaraha-monina eny ifotony anefa ny fananana politika mazava fitantanana ny fako, araka ny fanamarihan’ny ben’ny Andriambolanarivo Parisoa. Ao anatin’ny vinavina fandaharanasan’ny kaominina Imerintsiatosika amin’ity taona 2016 ity moa ny tetikasa fanodinana fako ho lasa zezika iarahana amin’ny mpandraharaha mpiara-miombon’antoka.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.