Actualités

Imerintsiatosika Hiezaka mafy satria lasa Kaominina Ambonivohitra


  • Alakamisy 22 Janoary 2015

Tao anatin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2015 nifanaovan’ny mpikambana TIM Zanak’i Dada ao Imerintsiatosika sy ny depiote Rakotomanjato Rodin lany tao amin’ny distrikan’Arivonimamo omaly alarobia no nilazan’ity farany ampahibemaso fa tafita ny hafatra nampitondrain’ny vahoakan’Arivonimamo azy dia ny hahatonga ity tanàna ity ho lasa Kaominina

ambonivohitra. Efa laninay solombavambahoaka teny Tsimbazaza ny volavolan-dalàna mamaritra izany, hoy izy, ka hizaka ny zon’izany tanàn-dehibe toa an’Antananarivo izany manomboka eto Imerintsiatosika. Marina fa hitombo ny hetra alaina amintsika, hoy izy, fa aoka kosa mba hiverina amin’ny fanasoavana ny vahoaka vola naloany. Nanaiky isika, hoy izy, ny hanohana ny fitondrana ankehitriny araka ny toro-mariky ny prezidà Ravalomanana. Tsy midika akory izany, hoy ny depiote Rodin, fa ho difotra anatin’ny HVM isika fa i Dada mpanorina ny TIM efa eto ka mazava ho azy fa handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana ho avy ny antoko TIM. Niezaka ny HVM tamin’ny fampandrosoana ny firenena, hoy ity depiote ity, fa tsy ho vita izany raha tsy eo ny prezidà Ravalomanana. Mbola tsy manam-bola ny fanjakana,hoy izy, fa tao anatin’ny enim-bolana niasana indray teo anivon’ny Antenimiera dia nanao izay azony natao ny depiote Rodin nanamboatra nivantana fotodrafitrasa, toy ny Epp vitsivitsy sns… niaraka tamin’ny vahoaka tamin’ny anaran’ny tenany satria efa nanambara fa tsy hoentiny hamelomana ny vady aman-janany ny karama maha depiote azy fa atokany manontolo ho fanasoavana ny vahoaka. Ho tokanana ny 21 janoary izao ny CEG lehibe indrindra vita 40 x10 m misy efitra fianarana 3 any Manandona fokontanin’i Mangatany. Omaly tao amin’ny Espace Dago Imerintsiatosika ka notoloran’ny Depiot Rodin vary 7 kapoaka sy hena 1 kilao avy ireo olona 3 avy tena sahirana avy amin’ireo fokontany 36 any an-toerana. Nomeny lasakana simenitra niisa 30 koa ny Fjkm Ambohiboina noho ny fangatahan’izy ireo. Ny fiarahana nihinana ny nofonkena nitam-pihavanana moa tsy adinon’ingahy depiote amin’ny lanonana tahaka itony.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT