Tao anatin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2015 nifanaovan’ny mpikambana TIM Zanak’i Dada ao Imerintsiatosika sy ny depiote Rakotomanjato Rodin lany tao amin’ny distrikan’Arivonimamo tamin’ny alarobia teo no nilazan’ity farany ampahibemaso fa tafita ny hafatra nampitondrain’ny vahoakan’Arivonimamo azy dia ny hahatonga ity tanŕna ity ho lasa Kaominina ambonivohitra
. Efa laninay solombavambahoaka teny Tsimbazaza ny volavolan-dalàna mamaritra izany, hoy izy, ka hizaka ny zon’izany tanàn-dehibe toa an’Antananarivo izany manomboka eto Imerintsiatosika. Marina fa hitombo ny hetra alaina amintsika, hoy izy, fa aoka kosa mba hiverina amin’ny fanasoavana ny vahoaka vola naloany. Nanaiky isika, hoy izy, ny hanohana ny fitondrana ankehitriny araka ny toromariky ny prezidà Ravalomanana. Tsy midika izany fa ho difotra anatin’ny HVM isika fa i Dada mpanorina ny TIM efa eto ka handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana ho avy ny antoko TIM. Niezaka ny HVM tamin’ny fampandrosoana ny firenena, hoy ity depiote ity, fa tsy ho vita izany raha tsy eo ny prezidà Ravalomanana. Tsy manam-bola ny fanjakana, hoy izy, fa tao anatin’ny enim-bolana niasana indray teo anivon’ny Antenimiera dia nanao izay azony natao ny depiote Rodin nanamboatra nivantana fotodrafitrasa, toy ny Epp vitsivitsy … niaraka tamin’ny vahoaka tamin’ny anaran’ny tenany satria efa nanambara fa tsy hoentiny hamelomana ny vady aman-janany ny karama maha depiote azy fa atokany manontolo ho fanasoavana ny vahoaka. Hotokanana ny 21 janoary izao ny CEG lehibe indrindra vita 40 x10 m misy efitra fianarana 3 any Manandona fokontanin’i Mangatany. Ny alarobia tao amin’ny Espace Dago Imerintsiatosika ka notoloran’ny Depiote Rodin vary 7 kapoaka sy hena 1 kilao avy ireo olona 3 avy tena sahirana avy amin’ireo fokontany 36 any an-toerana. Nomeny lasakana simenitra niisa 30 koa ny Fjkm Ambohiboina noho ny fangatahan’izy ireo. Ny fiarahana nihinana ny nofon-kena nitam-pihavanana moa tsy adinon’ingahy depiote amin’ny lanonana tahaka itony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.