Hisantatra ny sata maha tanŕn-dehibe azy manomboka izao ny kaominina Imerintsiatosika. Fanamby goavana noho izany no miandry ny ben’ny tanŕna vaovao.
Laharam-pahamehana ho an’ity mpitantana anisan’ny zandriny indrindra ity rahateo ny fanatsarana ny kaominina ambonivohitra Imerintsiantosika. Asa fototra voalohany amin’izany ny fanamboarana fotodrafitrasa samihafa toy ny lalana. Nisongadina moa izany taorian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny delegasionina manokana Rakotonarivo sy ny mpitantana vaovao ny kaominina Andriambolanarivo Parisoa. Fifamindram-pitantanana izay nizotra tamim-pirahalahiana tanteraka ny talata lasa teo tao amin’ny Lapan’ny tanàna na dia tsy mbola naharay ny taratasy fanamarinana aza ny roa tonta. Ezahina hovitaina haingana kosa ny fanakambanana miaraka amin’ny fandinihana ireo dosie. Efa nisantarana izany ireo antontan-taratasy fitantanana ankapobeny izay arahina amin’ny dosie momba ny lafiny ara-bola, ny sosialy ary ny toekarena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.