Actualités

Iles Eparses, Rova, Kianja Mahamasina 4 volana sisa ananan’ny fanjakana


  • Alarobia 12 Febroary 2020

Mandeha ny ora sy ny fotoana, ary mihazakazaka tahaka izany ny raharaham-pirenena. 4 volana eo sisa dia ho tonga ny fanamarihana ny faha-60 taona nahazoantsika ny fahaleovantena.

 

 

 

Maro ny fanamby nambaran’ny fitondram-panjakana ankehitriny fa hotanterahina toy ny fanavaozana ny Rovan’i Manjakamiadana, izay famaranana ny asa sisa no atao, fa ny asa lehibe (gros oeuvres) dia efa vita tany amin’ny 12 taona lasa, ary nikatso noho ny krizy nisy teto amin’ny firenena tamin’ny 2009. Eo amin’ny lafiny diplomasia ihany koa dia nolazaina fa hivoaka mialoha ny 26 jona 2020 ny fehin-kevitra momba ny famerenana ny Nosy Malagasy bodoin’ny Frantsay ka ho hita eo ny vokany. Efa navoakan’ny Firenena Mikambana tany amin’ny taona 1979 ny didy ny maha antsika madiodio ireo Nosy, ka azo hadika ho famadihan-tanindrazana ny mety ho politikan’ny mitifitra lanitra hahavoazana tendrombohitra amin’ny mety ho fanekena fiaraha-mitantana (co-géstion). Andrasana ny vokatra satria tsy nisy tohiny intsony ny dinika teny Andafiavaratra ny 18 novambra 2019, izay nambara fa hotohizana any Frantsa. Andrasana ihany koa ny mety ho fahavitan’ny kianjaben’i Mahamasina na amin’ny ampahany aza hiatrehana ny lanonam-panjakana amin’ny fetim-pirenena. Maro ny fanamby natao, ka andrasana eo ny vokatra. Marina fa te hanao zavatra ny filoha, saingy misy ireo zavatra toa mikatso sy toa lasa afo-mololo ka miredareda am-boalohany. Aiza ny tohin’ilay orinasa famokarana ethanol tany Ambilobe nambara fa hotokanana ny 8 desambra 2019 ? Mby aiza ny tohin’ny fametahana ny “puce” ho an’ny omby izay nipoapoaka ny fanombohana tany Tsiroanomandidy ny volana mey 2019 ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT