Actualités

ILANIVATO ANOSIPATRANA Mpangalatra kisoa dimy lahy no saron’ny mpitandro ny filaminana


  • Alakamisy 21 Janoary 2016

Dimy lahy mpangalatra sy mpividy kisoa halatra no voasambotry ny polisy avy etsy amin’ny paositry nypolisy Ilanivato ny alahady 17 Janoary lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora maraina teny Anosipatrana.

 


Efa maro ny fitarainana voarain’ny polisin’Ilanivato mahakasika fahaverezana kisoa maromaro  teny amin’iny faritra iny noho ny hamaroan’ireo mpivarotra kisoa ambongadiny eny an-toerana.  Niezaka hatrany izy ireo nanao fisafoana mba hahatrarana ireo mpanao ratsy saingy tsy nety azo mihitsy nandritra ny fotoana naharitra.   Raha tsiahivina, ny alahady vao maraina no nisy  kisoa iray very teny an-toerana. Tsikaritry ny tompony fa ilay mpiambina ihany no mamoaka io kisoa io ka nametraka fitoriana teny amin’ny polisy izy. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany ka voasambotra teny Anosipatrana ilay mpiambina tamin’io andro io ihany. Tamin’ny famotorana natao azy no nahafahana nisambotra ny namany  dimy hafa. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo no nahalalana fa ilay mpiambina no mamoaka izay kisoa angalarina, ny telo lahy kosa no mandroaka sy mamono ilay kisoa ary ny iray farany dia mpivarotra eny amin’ny tsenany eny Besarety. Nilaza ihany koa ry zalahy ireto fa efa ela no nanao izao halatra kisoa izao. Natolotra ny fampanoavana ny talata teo izy ireo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT