Noho ny toaka. Efa tsy tompon’ny tenany ka tsy afaka nandinika fa domelin’ny zava-pisotro mahamamo nandritra ny ora roa ny sain’ny tovolahy iray ka nanindrona antsy ny namany izay nitoroka azy ho nangalatra finday.
Niara-nisotro toaka ny alahady teo izy telo lahy mpinamana, sahabo tamin’ny 11 ora, teny Ilanivato Anosipatrana. Efa nanomboka tamin’ny 9 ora izy ireo no niara-nisotro, afaka ora roa, tapakevitra fa hiova tranom-barotra zava-pisotro indray ihazo an’Anosipatrana. Teny an-dalana, tsikaritry ny iray fa very ny telefaonany ka tany amin’ilay iray 28 taona no velon’ahiahy ireo roalahy. Tezitra ilay voapanga ka lasa nody. Arak any fampitam-baovaon’ny Polisim-pirenena. Nitondra antsy izy avy any ary tsy nisy fanazavana fa tonga dia nanindrona tamin’io zava-maranitra io tsy nisy fiambahambana teo amin’ny ila tratra an-kavia izay misy ny fon’ilay very finday. Rehefa avy eo, nokapainy tamin’io antsy io teo amin’ny lohany ihany koa ilay namany. Tsy sahy niditra nanasaraka ny nanatri-maso noho ny hery tsy mitovy sy ny tsy fahatongavan-tsaina miampy haromontan’ilay nitana zava-maranitra ka nampiantso ny mpitandro filaminana avy hatrany. Tonga ara-potoana ny polisin’Ilanivato ka tsy afa-nitsoaka fa voasambotra avy hatrany ilay nahavanon-doza, natolotra ny fampanoavana ary naiditra am-ponja vonjimaika. Ny naratra kosa noentina eny amin’ny hopitaly. Mirohotra izay tsy izy ny fandratrana iniana atao sy ny vono olona tato ato noho ny fidorohana zava-mahadomelina. Tsy misy hasiny amin’ireo doroky ny toaka sy ny rongony intsony ny aina. Mahazo vahana hatrany ny fandatsahan-drà.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.