Actualités

Ilafy – Ambatondrazaka Mpangalatra iray niharan’ny fitsaram-bahoaka


  • Sabotsy 03 Janoary 2015

Ela nanaovan-dratsy ireto jiolahy avy ao Ankazotapaka, Fokontany Marianina, Kaominina Ilafy ka noraisim-potsiny ny alin’ny 30 desambra hifoha ny 31 desambra 2014

Teo ampanatanterahana ny asa ratsiny izy ireo no saron’ny Fokonolona. Misy tambazotra mihitsy izy ireo ka ny ampahany io tratra io. Telo lahy izy ireo no voasambotra ka ny iray amin’izy ireo no tena ati-doha ny fanafihana tanàna any amin’iny tapany atsimon’ny Distrikan’Ambatondrazaka iny. Vao nahita azy ireo ny Fokonolona tao Amparihitody dia tezitra ka nidaroka ireto jiolahy sy nandoro ilay jiolahy raindahiny. Namoy ny ainy vokatr’izany ilehio. Nambaran’ny Tangalamena iray fa efa leo ny mpangalatra votsotra lava eny amin’ny Fitsarana izy ireo ka tsy mahagaga raha misafidy ny fitsaram-bahoaka ny mponina any Ilafy. Afak’omaly antoandro izy ireo no nampandre ny tompon’andraikitra ara-panjakana ao Ambatondrazaka ka inoana fa efa nandray ny andraikitra manandrify azy ny mpitandro ny filaminana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT