Misaona indray ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika.Nodimandry omaly maraina tokony ho tamin’ny 05 ora tetsy amin’ny hôpitalyCHU-JRA Ampefiloha, toerana izay nitsaboana azy nandritra ny 18 volana mantsy Ikotoniaina na Rakotoniaina Philbert.
Nanomboka afak’omaly tamin’ny 08 ora alina izy no fantatra fa efa tsy nahatsiaro tena intsony. Nitombo avo roa heny tamin’ny ara-dalàna mantsy ny haben’ny atiny raha nihamavomavo ihany koa ny vatany iray manontolo. Raha araka ny fantatra dia aretin’ny homamiadan’ny rà no nahazo azy ary efa in-14 natao chimiothérapie izy raha kely nandritra ny fotoana nitsaboany tena . Teo amin’ny faha-58 taonany izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao, namela kamboty roa. Alevina rahampitso zoma Itompokolahy raha teny Ambanidia no nandrasana ny razana alina. Tsiahivina moa fa anisan’ny nahafantaran’ny maro an’Ikotoniaina ilay horonantsary mihetsika fanadihadiana mitondra ny lohateny hoe : “Misy raha la terre”, izay nandeha tao amin’ny Tv Plus Madagascar.Ankoatra izay dia mpamoron-kira sy mpitantana tarika ihany koa Itompokolahy ka anisan’ny efa nahazo fanohanana betsaka taminy ny tarika Menafify.Mankahery ny fianakavian’Itompokolahy
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.