Raim-pianakaviana iray 45 taona no natelin’ny reniranon’i Manambolo any amin’ny distrikan’Ikongo ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora hariva.
Raha ny vaovao voaray dia niampita rano handeha hamonjy ireo vady aman-janany izy no izao tra-doza izao. Tsy mbola hita ny vatana mangatsiakany hatramin’ny omaly folakandro. Tsy mitsahatra ny miandry ireo vavarano misy any an-toerana kosa ireo fianakaviany. Ankoatra ity lehilahy iray lasan’ny rano tany Ikongo ity dia olona roa hafa ihany koa no lasan’ny rano tany amin’ny faritra vokatr’ilay andro ratsy iny izay niteraka ora-mikija teto amintsika. Tafakatra 21 isa ireo namoy ny ainy raha hatotaly, raha araka ny tatitry ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ka ny 18 tamin’ireo dia teto amin’ny Faritra Analamanga avokoa. Tafakatra 8.031 kosa ireo traboina ka ny 7.830 amin’ireo dia tany amin’ny Faritra avokoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.