Actualités

IKM Antsahavola Nanokana fotoana hahatsiarovana an’i Elie Rajaonarison


  • Talata 04 Novambra 2014

Mankalaza ny tsingerintaona voalohany niorenany ny IKM (Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy), izay fikambanana naorin’i Pr Casimir Rabenantoandro manana ny foibeny ao Antsahavola

. Hanolotra hetsika ara-kolontsaina maro ny ivontoerana amin’ity herinandro ity. Hanokana fotoana hahatsiarovana mpanakanto izay namela sangan’asa ho an’ny firenena, ary namela vakoka ho an’ny kolontsaina ny IKM. Amin’ity volana novambra ity, ohatra, dia hotsarovana manokana ny tsingerintaona nahaterahana sy ny nahalasanan’i Elie Rajaonarison. Hisy ny fifaninanana tononkalo izay hanomezana ny amboara Elie Rajaonarison ; ao ihany koa ny fifaninanana sary izay aingam-panahy, alaina avy amin’ny tononkalon’io mpanoratra io ihany. Natsangana ny ivontoerana mba hahafahana manome sehatra ireo mpanakanto isan-tsokajiny mba entina hampahafantarina ny hoe kolontsaina malagasy izany ho an’ny daholobe.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT