Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’Ikalamavony. Valan’omby iray miorina manakaiky ny tobin’ny zandarimariam-pirenena ao an-tampon-tanŕna no notafihina jiolahy miisa 20 nirongo basy ny alin’ny alahady 26 martsa lasa teo ka lasany ny omby miisa 46.
Tsy nisy sahy nivoaka anefa ny zandary sy ny fokonolona ka efa lasa ora roa niala ny tanàna ireo dahalo vao raikitra ny fanarahan-dia. Tsy nijanona nanapoaka basy sy nitabataba mantsy ireo dahalo nandritra ny fangalany ireo omby ireo ka samy natahotra ny ainy avokoa ny rehetra. Miaramila, fokonolona notronina zandary no lasa nanao fanarahan-dia ka tao Manody toerana fiafenan’ny dahalo ny roa tonta no nifanehitra. Raikitra ny fifandonana ka miaramila efa-dahy no nataon’izy ireo takalon’aina raha mbola notazoniny ihany koa ny famahanana basy tany amin’ireo miaramila roa hafa. Tsy mbola tafavoaka velona izy efa-dahy ireo hatramin’ny omaly nahazoana ny vaovao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.