Actualités

IHARINARIVO AMBOHIDRATRIMO Mitady hangorona tany indray ny Sinoa


  • Alatsinainy 06 Martsa 2017

Mandeha ny feo ao amin’ny kaominina ambanivohitra Iharinarivo Ambohidratrimo amin’izao fotoana fa misy tany ana hektara maro kasain’ny sinoa alaina ao an-toerana.

 Efa misy mponina mivarotra ranon-tany amin’ireo teratany vahiny mihitsy ankehitriny mba hanotofany ilay tany. Raha ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Raherimanantsoa Feno dia tsy mbola naharay taratasy na vaovao mifandraika amin’izany ny tenany. Mila manara-dalana ireo teratany vahiny ireo ka hitondra ny taratasy mifandraika amin’izany isan’ambaratongany fa tsy avy hatrany dia hanao bontolo haka ny tany fotsiny. Efa mailo ny mponina ka efa miomana sahady amin’ny fananganana komity hanohitra sy hanara-maso akaiky. Misy amin’ity tany ity mantsy no tanimbary sy tanimbolin’olona, izay tena miantoka ny foto-piveloman’izy ireo. Tantsaha mpamokatra rahateo ny 90 %-n’ireo mponina ao an-toerana. Andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha. Marihina moa fa sambany no nahazo tsena vaovao ity kaominina iray ity. Ny sabotsy teo no nanaovana ny hady fototry ny fotodrafitrasa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT