Herinandro sisa no fe-potoana ahafahan’ny orinasa Ambatovy mihodina ary tsy maintsy handray fepetra henjana ny mpitantana ny orinasa raha mbola manao ambozizy amin’ny heviny ny Fanjakana.
Herinandro sisa no fe-potoana ahafahan’ny orinasa Ambatovy mihodina. Dila io fotoana io dia voatery handray fepetra henjana ny mpitantana ny orinasa raha tsy mahita vahaolana amin’ny olana mianjady amin’ny orinasa ny fitondram-panjakana. Tsy fantatra io na fikatonan’ny orinasa na fandroahana mpiasa amin’andiany fa dia hentitra Atoa Louis- Roland Gosselin, filoha lefitra misahana ny fampandrosoana maharitra ao Ambatovy, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety omaly.
Ny fampiharana ny hetra vaovao antsoina hoe : « Advance Cargo Declaration » na ACD izay fanapahan-kevitra noraisin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny talen’ny fitaterana an-dranomasina no fototry ny olana. Teren’ny fanjakana handoa io hetra io ny orinasa Ambatovy vao afaka mampiakatra ny entany ambony sambo na ireo nikela hamidy any ivelany na ireo akora sy kojakoja fanolo ilaina amin’ny fampihodinana ny asan’ny orinasa amin’ny andavanandro. Efa ho andro maromaro izay no nikatso ny asan’Ambatovy noho io olana io. Nanazava anefa ity filoha lefitr’ity orinasa izay mpampiasa vola be indrindra eto Madagasikara ity. Mihoatra ny 8 miliara dolara amerikanina, fa araka ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola vaventy momba ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany na ny (LGIM) izay nekena hihatra amin’Ambatovy dia tsy tokony hiharan’io ACD io izy ireo. Hatreto dia mahatratra 10 tapitrisa dolara amerikanina io hetra takiana io saingy lasa fatiantoka hitombo izany arakaraka ny fikatsoan’ny raharaha.
Tamin’ny taona 2015 dia efa nanambara sy nanamafy an-tsoratra ny minisitry ny Harena ankibon’ny tany sy ny Solika fa tsy voakasik’ity ACD ity i Ambatovy kanefa gaga izy ireo ankehitriny amin’ity didy navoakan’ny minisiteran’ny Fitaterana ity. Fomba fitantanana ny firenena toy izao indrindra no mampalaina ny mpampiasa vola vahiny hampiasa ny volany eto Madagasikara satria tsy marin-toerana ny fomba fiasa ka mahabe fanahiana azy ireo. Ny mpitondra ankehitriny anefa dia tsy sasatra ny miantso mpampiasa vola vahiny, ny efa eto an-toerana anaovana antsojay, hoy ny fanamarihan’ireo mpahay toekarena manaraka ity toe-draharaha ity.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.