Actualités

Ihanta Randriamandrato Tsy misy ny kisendrasendra


  • Talata 08 Martsa 2016

Toy ny firenena maro eran-tany dia mankalaza ny 8 marsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy i Madagasikara.

 

Nisy ny resaka manokana nifanaovan’ny Tia Tanindrazana tamin-dRtoa Ihanta Randriamandrato, minisitry ny fiompiana tamin’ny tetezamita.

Tia Tanindrazana : Aiza indray ianao izao taorian'ny tao amin'ny Governemanta tetezamita iny ?
Ihanta Randriamandrato : Manohy ny asako eo amin’ny sehatry ny fiantohana ny tenako ary « consultante » eo anivon'ny orinasa vitsivitsy. Manohy koa ny andraikitro ao amin’ny antoko TEZA. Manentana sy mampianatra vehivavy ao anatin'ilay fikambanana hoe Firaisankinan'ny Andriambavilanitra Malagasy ihany koa.

Tia Tanindrazana : Ny kolontsaintsika sa tsy fahampian'ny fahalalana no mahatonga ny vehivavy Malagasy miahotra ny handray andraikitra eo amin'ny tany ama-monina sy ny firenena ?
Ihanta Randriamandrato : Tsara fantarina fa ny vehivavy Malagasy dia malaza ho anisan'ny vehivavy manana fahalalahana ara-tsaina sy ara-kevitra raha ny aty Afrika no jerena; Ary i Madagasikara dia niezaka hatrany nanome ny zo sy ny hasin'ny vehivavy. Afaka nifidy izy, niasa, nandray anjara teo amin’ny fiainam-pirenena. Raha ny kolontsaina izany dia azo lazaina fa tsy io no sakana amin’ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin’ny raharahan'ny firenena. Mety misy ihany ny tsy fahasahiana fa raha ny hevitro manokana dia ny fanaovan'ny lehilahy ampihimamba, azo lazaina ho fandrombahana mihitsy ny tontolo politika sy ny fiarahamonina, no tena sakana. Tsy laina koa sanatria fa ny tsy fisian'ny sehatra mazava sy tontolo politika tsy mirindra tsara no mahatonga ny vehivavy tsy hoe tsy sahy mandray andraikitra ankehitriny, fa mahay manetry tena izy sy mampandefitra ny hambom-pony manokana na "ego". Ary izay indrindra no manamarina ilay hoe : adilahy politika.

Tia Tanindrazana : Resahina be amin'izao ny mety ho fanovana governemanta, fotoana ve izao handraisan'ny vehivavy ny toeran'ny praiminisitra ?
Ihanta Randriamandrato : Ny fanomezana andraikitra olona iray dia tsy mijery na vavy io na lahy na firazanana na loko na ara-pinoana. Rehefa manana ilay traikefa mifandray amin’ilay andraikitra dia tsy misy fanavahana.
Fa ny eto amintsika no haveriko indray tsy misy sehatra mazava sy matihanina. Raha ny mpitondra no miainga avy amin’ny antoko dia tsy mipetraka akory izany fanontaniana izany satria efa misy ekipa manana fomba fijery mitovy afaka miara-miasa hanatanterahana ilay vina sy « programme de société » an'ilay antoko, izany hoe, tsy misy kisendrasendra.

Fa raha tsy izany dia aleo asiana lalàna milaza fa raha vehivavy no lany filoham-pirenena dia tsy maintsy lehilahy no ho praiminisitra na raha lehilahy no ho filoha dia vehivavy no praiminisitra. Izany toe-tsaina izany no mitondra ny firenena any amin’ny lavaka mangitsoka.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT