Actualités

IFARIHY Tratra ireo mpangalatra sy mpanolana vehivavy


  • Sabotsy 29 Oktobra 2016

Mpamaky trano fito lahy no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Commissariat central Tanjombato ny alin’ny alatsinainy lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora, teny Ambaniatsimo Tanjombato ihany.

Tokantrano iray  teny Ifarihy no notafihin’izy ireo  ka very tamin’izany ny vola mitentina 300.000 Ar,  fahitalavitra ecran plat 32” iray, fakan-tsary iray, firavaka volafotsy ary solosaina sy ampli iray. Andro vitsivitsy anefa dia sarona izy ireo vokatry ny vela-pandrika nataon’ny mpitandro ny filaminana ka samy niaiky ny heloka vitany avokoa izy ireo. Ankoatra ny halatra dia niaiky ihany koa ny roalahy tamin’izy ireo fa  nanolana ilay ramatoa tompon-trano sy ny tovovavy taizany iray izay vao 13 taona monja. Tamin’ny fanadihadiana  natao azy ireo ihany koa dia efa namidin’ireto jiolahy ireto teny amin’ny Petite Vitesse  ireo entana halatra azony ka tsy nisy hita intsony. Marihana moa fa mbola eo am-pikarohana ny namany tafaporitsara ny polisy. Efa any amin’ny fonjaben’Antanimora mibaby ny valin’asany izy fito lahy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT