Actualités

Ibity - Antsirabe II Fiara be nosakanan’ny jiolahy


  • Alarobia 04 Febroary 2015

Asa na ankasom-parana na filam-baniny fa nosakanan’ny jiolahy mitam-piadiana ny fiarabe mpitatitra simenitra avy any amin’ny Holcim Ibity ny zoma alina lasa teo. Raha ny tatitra azo avy tany an-toerana dia niainga alina ity fiarabe ity ary toa efa nandrasan’ireo jiolahy ny fiaingany satria tsy mbola niala lavitra akory ny tanŕna dia raikitra ny tora-bato variraraka niampy poa-basy.

 

 Nijanona ilay mpamily ka niakatra ireo jiolahy nitam-basy ary ny findain’ilay mpamily sy ny fanalahidin’ny fiara ihany no nalain’izy ireo dia lasa nitsoaka ireo jiolahy nanodidina ny  8 teo ho eo. Tsy nisy naratra moa ireo tao anaty fiara saingy potika tanteraka kosa ny fitaratra. Tonga ihany moa ny zandary izay tsy dia lavitra loatra teo saingy efa dila ireo mpanafika ka tsy nisy ny azo natao intsony. Nanaitra ny mponina ity tranga ity satria toa tsy nisy entana nalain’ireo jiolahy akory ka velona ny fanontaniana hoe sao dia resaka hafa mihitsy eo amin’ny fiaraha-monina aza no nitranga ?

Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT