Actualités

HVM Alaotra Difotry ny olana sy ny disadisa


  • Zoma 12 Desambra 2014

Marefo ary tsy mety manana fototra ny antoko HVM, indrindra ireo any anivon’ ny faritra. Mitohy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny lafiny fanitarana ny rantsamangaikan’ny antoko

Ireo lohandohany nandritra ny fampandaniana ny filoha ankehitriny dia lasa nisintaka tsy andrenesam-peo amin’izao fotoana izao. Ireo nahazo toerana moa etsy an-daniny tsy mitovy tarigetra fa ao ny mianatsimo  ary misy ny mianavaratra. Ho an’Alaotra Mangoro manokana dia hita mivandravandra io disadisa anatiny eo amin’ny mpiray donakafon’ny antoko HVM io. Mirehareha ny sasany fa akaiky ny filoha nasionaly ny antoko ka manao tsinontsinona ny hafa. Io ilay aretina nahazo ny ankamaroan’ny mpanao politika hatramin’izay ka tsy mahagaga raha levona ho azy izy ireny aty aoriana. Zary adinony fa mandalo ny toerana fa ny fiarahamonina mitoetra hatrany. Tsikaritra fa manomboka miala amin’izy ireo ny fahatokisana ny vahoaka. Ireo fampanantenana rahateo tsy misy tanteraka hatreto. Ankoatra ny delestazy izay mampitaraina ny rehetra dia ambatobevohoka lava izao ny lalam-pirenena faha-44. Mila vahaolana ny mponina Alaotra saingy mbola difotry ny disadisa anatin’ny antokony ny mpitondra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT