Actualités

« Huile lourde » ao Tsimiroro Hamidy eto Madagasikara tsy ho ela


  • Alatsinainy 04 Aprily 2016

Vinavinaina amin’ity volana aprily ity na farafahatarany amin’ny mey ny varotra santatra menaka mavesatra (huile lourde) ho an’ny tsena anatiny eto Madagasikara. Manodidina ny 150.000 barila ny tolotra haroso ny mpanjifa amin’izany.Vinavinaina amin’ity volana aprily ity na farafahatarany amin’ny mey ny varotra santatra menaka mavesatra (huile lourde) ho an’ny tsena anatiny eto Madagasikara. Manodidina ny 150.000 barila ny tolotra haroso ny mpanjifa amin’izany.

 

 Hahatratra 9 arivo na 1 alina barila kosa ny solika vokarina isan’andro amin’ny taona 2018. Ny 6 000 barila no hamidy ary 3 arivo barila natao hanampiana amin’ny fitrandrahana. Eritreretina hamokatra solika mavesatra hatrany amin’ny 1 hetsy barila isan’andro hatreto ny ao Tsimiroro. Fitrandrahana haharitra 20 taona miaraka amin’ny vokatra 1,7 miliara barila hita ao amin’ity toeram-pamokarana somary marivo ity. Hiezaka rahateo ny orinasa hampihena ny tahan’ny fahavesarana menaka noho ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa misahana izany eto Antananarivo. Nosoniavina tamin’ny tapaky ny volana febroary 2016 moa ny bokin’andraikitra fitrandrahana ny menaka mavesatra ao Tsimiroro. Fotoana ihany koa io nahazoan’ny Madagascar Oil fahazoan-dalana ara-tontolo iainana niaraka tamin’ny dingana fanombohana ny fitrandraham-bokatra tao Akondromena.  Ny menaka mavesatra moa dia karazana solika azo ampiasaina amin’ireo milina goavana anatina ozinina tahaka ny milina mpamokatra herinaratry ny Jirama, ohatra, ary mora lavitra noho ny gazoala ny vidiny.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT