Niakatra fitsarana omaly i Hugue Ratsiferana, rehefa notorian’ny fanjakana, ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Rehefa nandeha ilay fandaharana, dia nilaza i Hugue Ratsiferana fa azy ilay entana kanefa ny zava-misy dia entam-panjakana ireo, hoy ny avy aty amin’ny Fiadidian’ny Repoblika vondron’ny mpitory tamin’ny alalan’ny mpisolovava Ratovondrajao Fredon omaly. Tsy misy mihitsy taratasy milaza sy manaporofo hatramin’izao fotoam-pitsarana milaza fa azy, hoy izy. Biraom-panjakana misy mamaky tahaka ireny, dia heverina fa fandikan-dalàna goavana ary tsy azo ekena, hoy hatrany io mpisolovava io. Milaza kosa ny an-kilany fa tsy sampan-draharaham-panjakana ny AMDP (Agence Malagasy de développement économique et de promotion de l'entreprise) nisian’ny entana nalaina. Manana ny satany manokana ny AMDP izay Fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana fa fehezin’ny fitsipi-dalàna 60-133 tamin’ny 03 oktobra 1960, fa kosa neken’ny fanjakana teo aloha, hoy kosa Atoa Bertrand Martin Mpanorina ny Ivon-toerana mpiaro ny zon’olombelona sy ny olona tànana am-ponja. Sady mpiaro ny Fikambanana AMDP ihany koa moa ny tenany. Nomena alalana sy fahefana hampiasa tranom-panjakana eo Ambohitsorohitra ary misy ny fanamarinana mitondra ny laharana 203/PRM/SG/DI tamin’ny 25 jolay 2017 manome alalana ny fampiasana ny trano eo rihana faharoa, raha ny fanazavana. Misy Kapiteny iray antsoina hoe R eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika niantso an’i Hugue Ratsiferana, filoha mpanorina ny AMDP nilaza hoe: “tongava aty ianao zokibe fa ilain’i Augustin Andriamananoro ny trano, ary tsy maintsy libérer-na ny andron’ny alatsinainy”, hoy ny fanazavana. Ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, ny Vondrona Sipromad,…no nanome ny fitaovana ho an’ny Fikambanana fa tsy sampan-draharaham-panjakana, ka izay no ambara fa antony nitondran’ny Filoha mpanorina ny Fikambanana AMDP izany, mandra-pahita ny trano. Andro alahady no nakana ny entana, ka tsy nisy ny fanalahidy, ary izay no voalaza fa namakiana ny varavarana. Nafindra ny entana satria ilain’ny fanjakana ny trano, kanefa, dia lasa nivadika hoe halatra, hoy hatrany Atoa Bertrand Martin. Raha io resaka io no iaingana, dia mety tafiditry ny ambadika politika ihany ny raharaha, ka tsy hay hanova zavatra ny porofo hoentin’ny voatory na tsia. Andrasana izay ho valin’ny fitsarana amin’ny 19 janoary fa ny zava-nisy omaly aloha dia tsy nomena fahafahana vonjimaika i Hugue Ratsiferana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.