Gadra herintaona an-tranomaizina sazy mihatra, miampy onitra 5 tapitrisa ariary no sazy azon’ny mpanolotsain’ny filoha teo aloha Hugue Ratsiferana teo anatrehan'ny fanenjehana azy noho ny raharaha famoahana entana tao amin'ny AMDP (Agence Malagasy de développement économique et de promotion de l'entreprise) tetsy Ambohitsorohitra.
Manana 10 andro hampiakarana fitsarana ambony ny voapanga, izay heverina fa hizotra amin’izany. Raha ny fanazavana efa nataon’ny olona akaiky azy rahateo, dia manana ny satany manokana ny AMDP, izay fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana, ary fehezin’ny fitsipi-dalàna 60-133 ka fananan’ny fikambanana no nentina sy nafindra. Tantara mitohy !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.