Actualités

Horonantsary GISA MAINTY 2018 Hanatsikafona ny paikady maloton’ireo mpanao politika


  • Alatsinainy 03 Aprily 2017

Miroso hatrany amin’ny famokarana horonantsary mahaliana ny mpankafy ny tranom-pamokarana Scoop digital amin’izao fotoana izao.

 

 Raha ny resa-politika no tena malaza ankehitriny dia tsy tara izy ireo. Anisan’ny hanehoany izany ny fivoahan’ilay horonantsary Gisa mainty 2018 izay haseho voalohany etsy amin’ny Rex, Ritz ary Roxy Analakely ny alatsinain’ny paska ho avy izao. Natao indrindra hampialana voly ny fianakaviana mandritra ny fety izy io nefa koa natao hisintonana lesona hahafahana miatrika ny raharaham-pirenena. Anisan’ny mpilalao fototra ao i Francis Turbo, Randafy, Lezaka ary Ralay izay tsy zoviana amintsika intsony. Sady mahatsikaiky  no mampalahelo ny tantara amin’ny ankapobeny. Mipetraka amina toerana  raim-pianakaviana iray miahy tena mantsy i Francis Turbo izay miahy sy mamelona irery ny zanany vavy tokana nandranto fianarana teto an-drenivohitra. Rehefa leon’ny  hirifirim-piainana tany ambanivohitra ny lehilahy dia  niakatra teto an-drenivohitra nivarotra ilay gisa mainty tokana mba nananany hatao saram-pianaran-janany  kinanjo sendra vondrona politika iray izay tena fetsy tokoa.

 

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT