Actualités

Horohorontany matetika ao Antsirabe Misy ambadika hafa mihitsy


  • Alatsinainy 27 Martsa 2017

Nivoaka ny nafenina momba ilay horohorontany nisesy tany Antsirabe ka tsy nampiloa-bava ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy ny manampahaizana manokana momba izany.

Nivoaka ny nafenina momba ilay horohorontany nisesy tany Antsirabe ka tsy nampiloa-bava ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy ny manampahaizana manokana momba izany. Ny prefektioran’Antsirabe moa no nitondra fanazavana ara-teknika manodidina iny resaka iny fa ny IOGA tsy nanambara. Fantatra ary ankehitriny, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny renim-pianakaviana iray mponina avy any amin’ny kaominina Mangarano, nandritra ny fandaharana “Rivotra nivoaka” nataon’ny onjam-peo iray tao Avaratsena fa ireo mpitrandraka vato ao Mangarano miaraka amin’ny rahalahina mpitondra ambony eto amin’ny firenena ankehitriny no nanao iny horohorontany iny. Nambaran’ity renim-pianakaviana ity fa misy ny fanapoahana “Dynamite”, amin’ny alina ataon’izy ireo miaraka amin’ny sinoa miara-miasa aminy amin’io fitrandrahana io ka nampihetsika ny tany fa tsy nisy horohorontany izany ankoatra ilay tamin’ny 12 janoary. Nomarihin’ilay ramatoa fa ora nitovy no nitrangany tamin’ny alarobia 8 martsa sy ny zoma 10 martsa, izay samy tamin’ny 9 ora sy sasany avokoa. Marihina moa fa efa niteraka savorovro tamin’ny mponina tany an-toerana sy ny Ben’ny tanàna ary ireo mpitrandraka ity kariera ao Mangarano ny resaka  saingy atody miady amam-bato ireo mponina ka nangina. Andrasana izay fanampim-panazavana avy amin’ny tompon’andraikitra mahefa.

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT