4,3 amin’ny maridrefin’i Richter no herin’ilay horohorontany nitranga ny alarobia alina teo teto Antananarivo.
Tany amin’ny 30 km atsimo andrefan’Ankazobe no nisy ny foibeny. Efa tena matanjaka izany, hoy ireo teknisianina raha ho an’i Madagasikara. Ny taona 1991 no nisy fihetsehan’ny tany mafy indrindra farany izay nahatratra 6 amin’ny maridrefin’i Richter.
Volan’ny mpitatitra
Maro ireo mpitatitra eto an-drenivohitra tsy mbola nahazo ny vola fanampiana avy amin’ny fanjakana. Telo volana fotsiny no voaray dia ny tamin’ny desambra 2014 sy janoary ary febroary 2015. Nisy aza ny mpitatitra tsy naharay afa-tsy 2 volana ary tena nisy ireo tsy nahazo mihitsy. Ny fahataran’ny fahatongavan’ny vola niampy ny tsy nampazava tsara ny antontan-taratasy avy amin’ny mpitatitra no anton’ny fahatarana, hoy ny ATT.
Fitsipika anatiny CUA
Lany omaly nandritra ny fivorian’ny filankevitra monisipaly ny fitsipika anatin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Naharitra ora maro ny adihevitra. Nisy ny adininy sasany nasiam-panitsiana. Tokony hilamina ihany ny fiaraha-miasa rehefa manaiky adihevitra ny maro an’isa, hoy i Lalatiana Rakotondrazafy, mpanolotsaina avy amin’ny Freedom.
Iles Eparses
Tsy mahalala tantara tsara ary mandainga ny masoivoho Frantsay eto amintsika, hoy Andrianjaka Rajaonah mpitarika ny fikambanana Orikafo satria tena faritanin’i Madagasikara fa tsy an’i Frantsa izany ny Iles Eparses. Fifanarahana iraisam-pirenena no efa nametraka an’izany ary nanasonia an’io i Lafrantsa.
Tany Androhibe
Nilanja sorabaventy nanoloana ny « Domaine » Anosy omaly ireo mponina avy eny Androhibe manohitra ny fanomezan’ny fanjakana ilay tany hanorenan’ny FLM trano fiangonana.Mety hiamafy ny hetsika raha tsy mahazo valiny mahafa-po izahay, hoy izy ireo. Efa nomena ny FLM kosa ny tany ary efa izay no izy, hoy ny tale jeneralin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.