Ramatoa lehibe iray no tratra nisandoka ho mpitsabo teny amin’ny CENHOSOA na hopitaly miaramila eny Soavinandriana.
Ny alin’ny 29 oktobra tokony ho tamin’ny 9 ora dia niditra an-tsokosoko tao amin’ny hopitaly, niakatra tany amin’ny rihana faha-2 ity ramatoa sahabo ho 70 taona. Ao moa no misy ny sampana misahana ny reny sy ny zaza na ny ginecologie obstetrique. Nangalatra fanamiana mpitsabo tao amin’ny trano fisoloana akanjo izy ary niditra avy hatrany tao amin’ny efitrano mitsabo ireo zaza ka nilaza tamin’ny mpiandry marary tao fa mpiasan’ny hopitaly. Nikasa ny handray an-tanana ilay zaza izy ary nanome toromarika amin’ny fomba fanomezana ny sakafony izay zavatra mifanipaka tanteraka amin’ny nolazain’ny mpitsabo miandraikitra io zaza io. Mailo avy hatrany ny ray aman-drenin’ilay zaza ka nampandre ny tompon’andraikitra mpitsabo miandry raharaha amin’ny alina. Nosamborina avy hatrany ilay ramatoa be izay efa niakatra tany amin’ny rihana faha-5 indray. Tamin’ny fisavana ny paoketrany no nahitana ody gasy tany aminy izay vovo-kazo sy voan-javatra. Nandritra ny fanadihadiana azy no nahalalana fa mpampivelona efa misotro ronono izy. Niaiky ny heloka nataony izy dia ny fisandohana andraiki-panjakana (mpitsabo) sy ny fisalorana fanamiana tsy ara-dalàna. Efa eny am-pelatanan’ny fitsarana moa ny raharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.