Novatsian’ny sampan’ny Firenena Mikambana misahana ny mponina (UNFPA) fitaovam-pandidiana manara-penitra miaraka amin’ireo kojakoja maro isan-karazany ny hopitaly manara-penitra teo aloha ao Mitsinjo Betanimena Toliara,
izay lasa CHU (hopitaly oniversitera) amin’izao. Ny zoma teo no natao ny fanolorana fa afaka andro vitsivitsy, raha ny fanazavana azo, dia efa ho azo ampiasaina ity trano fandidiana manara-penitra ity. Tonga nanolotra ireo fitaovana tamin’ny fomba ofisialy tany Toliara, ny zoma teo, ny solontenan’ny UNFPA, Mamadou Dicko, ary nandray izany sy nisolotena ny minisitry ny fahasalamana ny talen’ny kabinetran’ity minisitera ity dia ny Pr Harilalaina Willy Franck Randriamarotia niaraka tamin’ny tale jeneraly ny Pr Rantomalala Yoel, notronin’ny sekretera jeneralin’ny Faritra Atsimo Andrefana.
Tanjon’ny UNFPA amin’izany, raha ny fanazavana voaray hatrany, dia mba hiarovana ny reny sy ny zaza eo amin’ny tsy hisian’ny fahafatesana intsony eo am-piterahana. “Hiezaka izahay mba ho zakan’ny rehetra ny saran’ny fandidiana eto amin’ny hopitaly, ary hojerenay manonkana ny momba ireo olona sahirana ara-pivelomana sy mahantra. Hanampy an’ireto farany ho fandraisana anjara eo amin’ny fitsaboana sy fanomezana sakafo ihany koa ny UNFPA sy ny PAM“, hoy ny talen’ity hopitaly ity.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.